Mianàra mankasitraka

Ny fahaizana mankasitraka dia fomba fikolokoloana ny toe-tsaina mpandresy sy ny fijery miabo ao aminao mba hahaizanao mahita izay tsara hatrany amin'izay mitranga

Ilaina ve ny fikarakarana vatana ho an’ny lehilahy?

Tamin'ny heriny, nentina teto ny fikarakarana vatana eo amin'ny vehivavy. Ary eo amin'ny lehilahy? Indro resahina amintsika anio indray izany. Tovolahy iray mpampianatra filozofia, Tsirery Chris, no nanontanianay mikasika ny antony ilana ny fikarakarana vatana sy ny fomba atao amin'izany. Tsirery Chris, mpampianatra filozofia eny amin’ny Anjery manontolo, very 10 kilao Miray Lalaina: Ilaina ve... Lire la Suite →

Fiofanana : « Miantomboka avy ao anaty ny fiadanana »

Sambany eto Antananarivo ary eto Madagasikara mihitsy no hisy fiofanana momba ny « Ho’oponopono », fomba avy any Hawai miompana amin’ny fampivelarana ny maha-olona. Hotanterahina ny Sabotsy 23 Martsa 2019 ho avy izao izy io, manomboka amin’ny 1 ora sy 30 minitra ka hatramin’ny 4 ora folakandro ao amin’ny Red Zone Coworing Tsiadana. Nathalie Rakotoniaina, mpanorina ny... Lire la Suite →

Tiasoa : “Tsy misy fanaka malemy izany!”

Vao 11 taona monja izy dia efa nanokatra blaogy. 10 taona taty aoriana, nanangana ny orinasany manokana, Book News Madagascar, miompana amin’ny blaogy sy ny tolodraharaha an-jotra, izy. 23 taona izao i Tiasoa Samantha na fantatry ny rehetra amin’ny solon’anarana hoe “Tiasy” any amin’ny tontolon’ny blaogy. Mbola manjohy eny ihany ny fankafizany miblaogy ary tanjony... Lire la Suite →

Akako lesona ny tsy fahombiazako

Tsy ary hizotra araka izay eritreretinao avokoa akory ny fiainana fa indraindray mety tojo tsy fahombiazana. Tsy tokony atao ahakivy anefa izany fa fombany ihany. Mitrakà, mandraisa lesona, ary tohizo ny lalanao dia ho mpandresy hatrany ianao. Ilaina koa ny tsy fahombiazana Misy ohabolana Malagasy manao hoe: “soa lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako”.... Lire la Suite →

Taona vaovao : toe-tsaina vaovao

Araraoty izao taona vao miantomboka izao andraisanao fanapahan-kevitra tsara. Raiso an-tànana ny fiainanao fa aza miankin-doha amin’ny hafa. Mandraisa lesona avy amin’ireo zava-nitranga teo aloha, sahia mametraka tanjona, manàna fijery miabo ary indrindra apetraho amin’Andriamanitra hatrany ny fiainana dia ho mpandresy lalandava ianao. Mandray lesona Manaova jery todika ny taona lasa. Inona ny vita ? Inona... Lire la Suite →

FANTATRO NY TANJOKO

Izay tsy manana tanjona ihany no sasatra manenjika ny hafa. Rehefa mametraka tarigetram-piainana manko ianao dia tsy maintsy hifofotra hanao izay hanatrarana azy ka tsy hanam-potoana iheverana izay ataon’ny hafa. Izay tsy mametraka tanjona mazava koa dia tsy mahita izay aleha sady tsy tonga na aiza na aiza satria rehefa be loata ny ierehan’ny saina... Lire la Suite →

ILAY TONDRO AVARATRA HAFA KELY

Kapiteny Jack Sparrow dia jiolahin-tsambo kapiteny iray tena nikoizana tany amin'ny faritr'i Caraibes. Etsy ankilany, lalain’ny tantsambo eo ambany fahefany izy satria mahita mialoha ireny toerana misy harena miafina ireny na an-dranomasina izany na amin'ny nosy kely lavitr’andriana. Etsy andaniny indray, matahotra azy avokoa na ny mpivarotra na ny olon-tsotra mpivezivezy an-dranomasina, eny hatramin’ny tafika aza... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑