“Ifantohy izay atao ary aza manantena valiny eo no ho eo” – Tsiry

Miavaka raha samy tanora i Tsiry na RAKOTOARINOSY Tsiry Harinesy satria matotra ary mijoro ho mpitarika hatrany. Na any am-piangonana, na any am-pianarana na any anaty fikambanana dia izy ilay zoky, mpanentana ary mpampianatra. Ankafiziny mihitsy ny toeran’ny mpanabe satria afahany mampita hafatra tsara amin’ireo beaziny. Fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra mivantana, fiovana... Lire la Suite →

Ben J : « Amin’ny alalan’ny Rap gasy no ampitako hafatra hanovana ny toe-tsain’ny tanora »

Tao anatin’ny tarika Da Hopp, miangaly Rap gasy, no nahafantaran’ny besinimaro an’i Ben J na Dadlah BenJ. Mitondra ny anarany manokana ihany koa izy eo amin’io sehatra io. Ankehitriny, izy no filoha mpitarika ny fikambanana EKAH MADAGASIKARA izay manentana amin’ny fiovan-toe-tsaina. Fantaro bebe kokoa ao anatin’ity antsafa ity ary i Ben J. Voniary : Nanao ahoana... Lire la Suite →

FIRY ISAN-JATON’NY MALAGASY NO SAMBATRA ?

Any Bhoutan, 55% ny mponina no mahatsapa fa tena sambatra ary 11% monja no mahatsiaro mijaly araka ny antontan’isa tamin’ny 2010. Any amin’io firenena io manko ny FAHASAMBARANA FAOBE (Bonheur National Brut) no andrefesany ny fandrosoana fa tsy ny harin-karena faobe. Io no entiny mamaritra ny politikam-pandrosoana rehetra ary hita fa mahomby hatramin’izao. Aiza ho... Lire la Suite →

Jly RAMAKAVELO Désiré : « Ny kolontsaina Malagasy dia rindra, lamina, fanajana ary fitiavana.»

Voniary : Ahoana ny fahitanao ny kolontsaina Malagasy amin’izao fotoana izao ? Jly RAMAKAVELO Désiré : Tsy misy intsony izany kolontsaina Malagasy izany izao. Ny maha-firenena ny firenena iray manko dia ny kolontsainy sy ny kolom-piarahamoniny. Amintsika Malagasy, azo avondrona ao anatin’ireto zavatra roa ireto izany dia ny hasina sy ny fihavanana. Ny HASINA dia fanomezana haja sahaza... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑