Takelaka Tsara Soratra 003 : Ny fitiavana raha tantaraina, ny fitiavana raha ventsoina

Ambetin-dresaka ny FITIAVANA tamin’ity Takelaka Tsara Soratra indray mitoraka ity. Efa hatramin’ny fahagolan-tany tokoa no nampikorina ranomainty ny fitiavana ary tsy ambakan’izany ireo nanolotra ny asa sorany hoankafizin’ny mpamaky ato amin’ity revio ity. « Tsy tantara ny tantara raha tsy ilafihan’ny fitiavana » hoy E.D. Andriamalala andrarezin’ny tantara foronina Malagasy, izay vao feno 100 taona tamin’ny 22... Lire la Suite →

« MIFANDRARY FITIA »: FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA NANORATAN’I FELANA

Hotanterahina ao amin’ny TAHALA RARIHASINA izy io ny 6 hatramin’ny 9 Desambra ary hofaranana amin’ny sakafom-pifaliana ao amin’ny HAITSIRON’IARIVO ny 10 Desambra. Toy izao àry ny andinindininy momba io hetsika io. MIFANDRARY FITIA Io no lohatenin’ny amboaran-tononkalo nosoratan’i Felana RAVELOARISON na Felana izay havoaka manokana amin’ity fankalazana ny faharoapolo taona ity. Raha tadidintsika efa namoaka ny... Lire la Suite →

FANJA RAZAH – MPANORATRA

Hanolotra antsan-tononkalo « FOHA FOTA-MANDRY » ny zoma 26 Aogositra izao amin’ny 4 ora tolakandro i Fanja Razah sy i Kaja ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Eto dia ifampizara sombintsombiny amin’ny fiainany RAZAFIMAMONJY Georges Eugène Fanja mba ahafantarantsika azy bebe kokoa. NY FIANARANA NORANTOVIKO Noho ny fankamamiako ny soatoavina Malagasy dia nandalina manokana momba izany aho ka... Lire la Suite →

FANJA RAZAH : « TSY TOKONY ANDREFESANA NY MAHA-IZY AZY NY TSIRAIRAY NY FAHAIZANA TENY FRANTSAY »

Hiaraka amintsika ao anatin’ny antsan-tononkalo « FOHA FOTA-MANDRY » ny zoma 26 Aogositra izao amin’ny 4 ora tolakandro i Fanja Razah sy i Kaja. Ny Faribolana Sandratra dia manasa anao hianoka tanteraka ao anaty kanto amin’io fotoana io ao amin’ny foiben-toerany, Tahaka Rarihasina Analakely. Mpanoratra tononkalo sy tantara fihaino amin’ny onjam-peo no ahafantarana an’i Fanja... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑