Fika efatra ahaizana teny gasy (Tapany faharoa)

Niresaka ireo dingana roa voalohany amin'ny fianarana teny malagasy isika tamin'ny lahatsoratra farany. Tsy inona izany fa ireo fomba ahafantaranao ireo voambolana malagasy, ny fitsipi-panoratana sy ny tsipelina ary ny fomba fanonona sy ny filanton'ny teny Malagasy dia ny : MAMAKY sy MIHAINO. Anio indray, hiroso amin'ny dingana roa managaka isika. Koa mamakia finaritra ary!... Lire la Suite →

Fika efatra ahaizana teny gasy (Tapany voalohany)

Fanontaniana matetika misy mametraka amiko ny hoe “ahoana kay ny fomba ahaizana teny gasy ? » Dia valiako hoe “filonana ao anaty teny malagasy sy ny fampiharana”, tsy misy hafa tsy izay ihany. Indramiko ny tenin’ilay namanana mpandika teny iray anazavana tsotsotra azy: “ny voambolana iray dia tsy maintsy miditra ao aminao vao hainao ny mamoaka azy”.... Lire la Suite →

Ny Malagasy sy ny fiteny vary amin’akotry.

Anisan'ny lasa fahazarantsika Malagasy ankehitriny ny mampiasa ny fiteny mifangaro na koa ilay antsoina hoe fiteny vary amin'akotry. Tena nanimba ny kolotsaina Malagasy indrindra moa fa eo amin'ny fitenin-drazantsika ny tsy fahaizana mampiasa intsony ny teny gasy fa afangaro amin'ny teny hafa. Ny tenindrazana tsy adinoina Marina fa mandroso be tokoa ny fivoarana eto Madagasikara... Lire la Suite →

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny : efa voarafitra ny politikan’ny teny

Miverina ombieny ombieny ny fitakiana ny politikan’ny teny raha vao resahina ny ho avin’ny teny Malagasy. Ankehitriny àry, araka ny nambaran’ny filohan’ny Akademia Malagasy, Ranjeva Raymond nandritra ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny, teny ibeazana ny alakamisy 21 Febroary lasa teo, efa voarafitra ny politikan’ny teny fa miandry ny fankatoavan’ny fahefana... Lire la Suite →

VOAMBOLANA FAMPIASA EO AMIN’NY TONTOLON’NY FANDRAHARAHANA SY NY FITANTANANA

Hanolotra santionam-boambolana Malagasy hanampy ireo izay efa anananao indray aho androany. Jereo ato ireo efa nivoaka teo aloha:  1- Voambolana fampiasa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fitantanana 2- Voambolana fampiasa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fitantanana Velona ny teny Malagasy Maro ny milaza fa sarotra ny teny gasy. Ao koa ireo nanatsatso avy hatrany raha... Lire la Suite →

Voambolana fampiasa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fitantanana

Miroso hatrany isika amin’ny ezaka fampiasana voambolana malagasy eo amin’ny sehatra maro samihafa. Ny tanjontsika dia ny hamelona sy hampivoatra hatrany ny teny malagasy izay tenim-pirenentsika. « Ny teny ifaneraserana, ifanabeazana, ifampitondrana dia mitondra aina satria ny serasera no antoky ny fifankazahoana izay ifotoran’ny fahaizana miara-monina sy ny fiandrianam-pirenena » Hoy ny Tambajotra Sangambita. Alao hery ary... Lire la Suite →

TENY MALAGASY ISAN’ANDRO

Miroso hatrany isika amin’ny ezaka fampiroboroboana ny tenindrazantsika. Voambolana malagasy folo fampiasa andavanandro no natao fanamby tamin’iny volana lasa iny. Tohizantsika amin’ny teny hafa indray izy amin’ity volana ity. HAFANAM-PO Nahafinaritra ny nahita ny hafanam-pon’ny maro tao amin’ny Facebook nanoloana ilay fanentanana nataoko mikasika ny fampiasana teny malagasy isan’andro. Izany no isarihana ny sain’ny tsirairay... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑