Oviana marina ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy 2018?

Misy ireo milaza fa amin’ny volana martsa no izy, ao kosa ireo manizingizina fa amin’ny volana jona ny azy ireo ary ao ireo manambara fa amin’ny volana septambra no tena fankalazana ny taom-baovao Malagasy. Ny an’ny besinimaro moa efa vita ny 01 Janoary ny fety fandraisana ny taona vaovao. Inona no tena marina? Sanatria ve hanaiky ho voazarazaran’ny fomba fanisa andro isika Malagasy! Misy antony avokoa anefa no nahatonga ny vondron’olona isan-karazany nisafidy ireo daty ireo. Mazotoa ary mamaky raha liana te-hahafantatra bebe kokoa momba ny Taom-baovao Malagasy ianao.

Taom-baovao Malagasy 17-18 Martsa 2018

Io no datin’ny Alahamadibe araka ny fanisa taona Arabo, izay napetraky ny mpanjaka RABIBY ho taom-baovao Malagasy teto Imerina. Taty aoriana, niovaova arakarakin’ny mpanjaka nitondra ny datin’io fiandohan-taona io. Ary nony tonga ny tandrefana dia ny kalandary Gregoriana indray no napetrany ho fampiasa manerana an’i Madagasikara. Ny taranaky ny Mpanjaka Rabiby sy ny avy eny Ambohitrabiby ary ny mpanara-dia azy ireo anefa dia nitazona ny fombany ihany, eny na hatramin’izao aza. Ka izay no mahatonga azy ireo manatanteraka fankalazana ny 17 hifoha 18 Martsa 2018 izao.

17554074_1948329978729193_2083659897413266594_n
Taom-baovao Malagasy 28 Martsa 2017 teny Ambohidrabiby (Sary indrana)

Raha zohina koa ny tantara dia efa ela talohan’ny nahatongavan’ny Arabo no nanana ny fomba fanisa taona araka ny toetr’andro sy ny tsinambolana ny razamben’ny Malagasy, izany hoe ny Vazimba. Ny Valasira na Volasira no atao hoe Volana Masina. Mifanitsy amin’ny volana Martsa na Aprily amin’ny kalandary gregoriana io volana io. Amin’ity taona 2018 ity, mitontona ny 17 Martsa ny tsinambolana ka izay no mahatonga ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy amin’ireo andro voalaza ireo.

Taom-baovao Malagasy 13 Jona 2018

Ny fikambanana Zanadranavalona Anosimanjaka indray no mankato io daty io. Fikambanana ivondronan’ireo taranaky ny renibe nipoiran’ireo Mpanjaka teto Imerina izy io, tsy iza izany fa RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA. Efa aman-jato taonany maro, nanomboka tamin’ny andron’ny RALAMBO Mpanjaka, izy ireo no nankalaza ny taom-baovao Malagasy izay antsoiny ihany koa hoe Alahamady na Andro Mahery. Mifandraika amin’ny Hidibe, izay famaranana ny Ramadan amin’ny arabo izy io, izany hoe ny 13 Jona amin’ity taona ity.

19598469_1404513059641140_299316059336688793_n
Taom-baovao Malagasy 28 Jona 2017 – Zanadranavalona Anosimanjaka (sary indrana)

Taom-baovao Malagasy Septambra 2018

Maro anefa tsy mankalaza ny Alahamadibe ka izany no handavan’izy ireo ny iantsoana io andro io hoe taom-baovao Malagasy. Noho izany, nivory ireo olon-kendry, sojabe sy tangalamena avy amin’ny lafy valon’ny nosy, ka nitady marimaritra iraisana mba tsy hampisara-bazana ny samy Malagasy. Tapaka tamin’izany ary fa amin’ny tsinam-bolan’ny volana septambra no hanaovana fankalazana iombonan’ny Malagasy rehetra. Ny antony dia mifanandrify amin’ny Lohataona io volana aty amin’ny ilabolan-tany atsimo. Rariny raha raisintsika ho fanombohan’ny taona io satria tapitra ny ririnina, velom-bolo indray ny zava-manan’aina rehetra, mitsiry ny ahitra, mamelana ny zava-maniry ary mihira ny voronkely. Samy nampandefitra ny hambom-pony ary ireo antokon’olona isan-karazany ka niray feo ny amin’io fankalazana Taom-baovao Malagasy iraisan’ny rehetra io.

21686071_10212062542392231_1759384129737977115_n
22 Septambra 2017 – Vory ny foko avy amin’ny lafivalon’ny nosy nankalaza ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy

Fiombonan’ny Malagasy tsivakivolo

Efa eken’izao tontolo izao ho fanisa taona iombonana ny Kalandrie Gregoriana. Izany anefa tsy manakana ny firenena tsirairay itazona ny fomba-drazany. Singanina amin’izany ny sinoa, ny arabo ary ny jiosy izay mankalaza taom-baovao manokana amin’ny fomba manetriketrika. Nahoana kosa moa isika Malagasy no tsy mba hanana ny antsika? Raha ny tapaka tamin’ilay fivoriana voalaza tetsy ambony dia hoe samy manatanteraka ny fety izay mampiavaka azy ny foko tsirairay (Alahamadibe, fitampoha, tsangantsaina, volambetohaka sy ny hafa) fa raisina ho fety iombonan’ny Malagasy rehetra ilay datin’andro amin’ny volana septambra natao teny ierana ho Taom-baovao Malagasy.

21618010_10212062465790316_493785729363527989_n
Fitokanana ny tsangambaton’ny Fampiraisana ny Malagasy sady fanombohana ny fankalazana ny taombaovao hiraisan’ny Malagasy ny 22 Septambra 2017 (Sary indrana)

Amiko, anisan’ny fototra ijoroan’ny kolontsaina Malagasy ny fihavanana, ka tsy tokony ho sarotra mihitsy ny mifanaiky sy miombona amin’io fankalazana io. Tokony ahatsiaro tena ho menatra ireo mitonon-tena fa mpandala ny maha-Malagasy nefa fisaraham-bazana sy fitsitokotokoana no kotrehiny. Koa andao re mba hifandefitra sy hiombona satria IRAY IHANY anie Gasikara e!

Un commentaire sur “Oviana marina ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy 2018?

Ajouter un commentaire

Laisser un commentaire

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑